Ny Kolontsaina Malagasy
NY KOLONTSAINA MALAGASY
- Manao ahoana moa izany kolontsaina malagasy izany?
Amin’ny maha nosy an’i Madagasikara dia nanana izay mampiavaka azy izy eo anivon’izao tontolo izao.
Nosin-tany midadasika zarazarain’ny tendrombohitra, ala sy lohasaha ary renirano maro. Ifandimbiasan’ny lohataona mafana; ny fahavaratra sy ny orana ; ny fararano araka ny anarany sy ny fiafaran’ny lahasa maro amin’ny fambolena ankapobeny ary ny ririnina mangatsiaka sy maina ny anivon-tany ary arahina erika madinika any amin’ny faritra hafa. Izany no toe-tany nipoirany sy niforonan’ny kolontsaina Malagasy.
Ny Ntaolo Malagasy dia nanana fomba manokana nentiny nandrindra ny fiainany araka izany toetry ny tontolo novantaniny izany. Nisaina ny rafi-pandaminana, ny fiainana sy fiaraha-monina ary famokarana nifanaraka tamin’ny tontolo manodidina azy izy, namorona sy nandrafitra ary nanamboatra fitaovana entina mamokatra ny tany ary nieritreritra sy nandalina ny zavaboahary ka nahatonga ny fisainana sy ny finoana voarakitra ho kolontsaina malagasy.
Tany am-piandohana, taon-jato maromaro lasa izay, ny rafi-pandaminana ankapobeny dia ny fokonolona no andry niankinan’ny fiaraha-monin’ny ntaolo malagasy ary ny zokiolona hatrany no mpifehy. Nahoana moa no ho ny zokiolona? Nanana ny toerany manokana tokoa ireo raiamandreny taloha satria izy ireo no “vy nahitana sy angady nananana” ny fahalalana rehetra ny kolontsaina , “ela niainana ka voky andro; ela nisainana ka ampoky ny fahalalana” ary mpitahiry sy mpampita izany amin’ireo taranaka mandimby azy.
Teo amin’ny lafin’ny famokarana dia ny fambolena sy fiompiana no tena antom-pivelomana fototra teo amin’ny ntaolo malagasy. Misy ihany ny antom-pivelomana hafa toa ny jono nefa vitsy izy ireny.
Fitaovana tsotra toy ny angady, famaky, antsibe no hany nentiny nanabe voa ny tany sy nanorenany ny fonenany tamin’ny fotoan’androny. Izany indrindra no nahatonga ny firaisankina teo amin’ny ntaolo ary nataony ho zava-dehibe tokoa satria raha tsy nampiray ny hery ny vahoaka tsy nahatoitra ny natiora novantaniny sy nanodidina azy.
Tamin’izany no niandohan’ny fifanankohonana teo amin’izay nokasainy ka nampiaina tao anatiny ny fihavanana, ny fifanomezan-tànana teo amin’izay nataony ka nanamafy ny fifanampiana, ny fifamatorana teo amin’ny lafim-piainana rehetra ka namelona tao am-pony ilay fifankatiavana. Tao anatin’izany no nampivoitra ny kolontsaina malagasy ary nanasongadinany ilay soatoavina tena Malagasy dia ny fihavanana, ny fifanampiana ary ny fifankatiavana.
Vokatry ny fifampikasohana matetika tamin’ny zavaboahary teo amin’ny tontolo niainany no nahatonga ny ntaolo hampiasa ireo akora voajanahary toa ny hazo, ny zavamaniry sns … nentiny nanatsara ny fivelomany sy ny fitaovam-pamokarany ary ny fahasalamany koa aza.
Toa ny firenena rehetra dia nanana ny finoany sy ny fomba amam-panaony mampiavaka azy koa ny Malagasy.
Nino ny fisian’ny Andriamanitra Mpahary izao rehetra izao sy ny olona ny Ntaolo Malagasy hatrizay ka Zanahary no niantsoany Azy. Tsy hitan’ny masony nefa nekeny ho manam-pahefana amin’ny olombelona amin’ny alàlan’ny fanahiny izay miara-miriaria aminy na eny amin’ny habakabaka na rano na hazo sns … ary ireo fanahin’ny maty izay noheveriny fa avy amin’ilay Zanahary Mpamorona azy araka ny teny voasoratra ao amin’ny boky tranainy manao hoe “ny fanahy kosa hiverina amin’Andriamanitra Izay nanome iny” (Mpit. 12: 7b).
Izany no ninoan’ny Ntaolo Malagasy fahiny ny fahaveloman’ny fanahy ankoatry ny fahafatesana. Hatreo dia niova ho masina ny fanahy ary manam-pahefana amin’ny velona (diniho sy fakafakao tsara aloha vao maneho hevitra), afaka mitahy na manasazy ny velona izy amin’izany.
Io finoana ny fisian’ny fifandraisana eo amin’ny velona sy ny maty io no nahatonga ny fomba amam-panao maro nentiny nanajana sy nahatsiarovany ny razany toa ny joro, ny famadihana, ny fitampoha ary ireo lanonana manodidina ny fahafatesana.
Koa fahiny ny finoana ny herin’ny Zanahary sy ny razana no nibaiko ny fiainan’ny ntaolo malagasy na teo amin’ny fitondran-tenany na ny fifandraisany amin’ny maha samy olombelona sy ny tontolo nanodidina azy ary ny fanajana ireo fomba amam-panao isan-karazany toa ny ala-volon-jaza, ny famorana, ny fampakaram-bady, ny fandevenana, sns … izay anisan’ny nampiavaka ny Malagasy.
Anisan’ny nampiavaka ny kolontsaina malagasy ny naha-kolontsaina am-bava azy ka ny fahaizana mitadidy no nahavelona azy ary ny vava, ny maso, ny sofina ary ny fitadidiana no miara-miasa amin’izany.
Maro ireo lovan-tsofina mirakitra ny tantaran-drazana, tantara manazava ny toetoetry ny tany novantaniny, ny niandohan’ny angano niainga avy amin’ireo tantara nisy fahiny mitantara zava-mahavariana sy mahagaga indraindray ary nentiny nanabeazana sy nampianarany ny ankohonany.
Ny kolontsaina Malagasy izany dia niainga teo amin’ny tontolony, ny tantarany, ny teniny, ny literatiorany, ny hairaha maro ary ireo fomba fanehoany ny fihetsem-po samihafa avy amin’ny alalan’ny hira, ny dihy, ny mozika izay navoitrany tao anatin’ny zava-kantony ary ny zava-maneno nananany toa ny valiha, ny jejy, ny sodina, ny amponga izay nampiasainy hamoahana izany fihetsem-pony izany. Manana ireo zava-kanto nampiavaka azy ny Malagasy na teo amin’ny hira sy ny vako-drazana na teo amin’ny asa-tanana toa ny sokitra, ny tefy, ny rafitra, ny tenona, ny rary, sy ny maro hafa.
Raha bangoina izay rehetra voalaza dia nanana ny naha izy azy tokoa ny ntaolo Malagasy ary nitandro sy nampita izany ho amin’ny taranaka mandimby rehetra ary mbola iainan-tsika ankehitriny.
Mba tsy ahavery tadidy izany lovan-tsofina izany sy mba ahatafita ny tiana hambara dia mazana an’ohatra sy/na an-tsari-teny no nampitana izany.
Ny niandohan’ny toerana nampitana izany fahiny dia teo amorom-patana hoan’ny ankohonany, teroa am-body rindrina hoan’ny trano atsimo sy avaratra ary tery am-bodi-hazo hoan’ny mpiara-monina ka nahatonga ny hoe “midinidinika sy mitapatapa-kahitra”.
Ny endriky ny kolontsaina teo amin’ny ntaolo Malagasy dia fitaovana iray nentina nitaiza sy nikolokolo ary nanabe sy nampianatra teo amin’ny ankohonany sy ny fiaraha-monina ary ny firenena mihitsy ka avy amin’ny alàlan’ny kabary, ny ohabolana, ny hainteny, ny ankamantatra, ny an-kanonona na an-kifidy izay nasehony an-tsarin-teny sy ny hafa toa ny literatiora, ny tantara, ny angano samihafa.
Maro ireo fomba nampitan’ny Malagasy ny anatra tiany hiantefa tamin’ireo ankohonany sy ny fiaraha-monina nisy azy; na dia teo amin’ireo karazan-dalao ialany voly aza:
tao ny lalao fampiasan-tsaina toa ny fanorona, ny katro sns …;
ao ireo lalao fampiasam-batana toa ny tolona, ny daka, ny moraingy, ny tolon’omby sns …;
misy koa ireo lalao fanalan’andro toa ny adin’akoho, ny adin’ombalahy, sns …;
ary ireo lalaon’ankizy maro samihafa izay azo lazaina fa nanitatra ny sain’ireo zanany.
Noho ireo santionan-javatra voalaza ireo dia misy ny adidy sy andraikitra miandry tokony hatrehana, ary hasongadina amin’izany ireto:
Ny fikarohana (recherche) (oh: fomba amam-panao, hairaha, hira, dihy maneho ilay naha Malagasy, (ny haren-tsaina manaraka na mipetraka, ny lovan-tsofina sy ny hafa) dia :
Ny fitrandrahana (fouille);
Ny fanangonana; (recueil, collecte)
Ny fitanana an’isa (inventaire);
Ny fisokajiana na fanokotokoana (classement);
Ny fanaraha-maso (suivi);
Ny fiarovana (protection);
Ny fanamboarana ny simba (restauration);
Ny fikajiana (maintenance);
Ny fitahirizana ireo haren-tsaina rehetra (archive);
Ny fanapariahana na famahoana ny kolontsaina sy ny haren-tsaina (vulgarisation) …
Santionan’asa ihany ireo fa mbola maro ireo tokony hatao mba hitandroana sy hikajiana ary hiarovana ilay kolontsaina malagasy ary tokony ho sao-piaro amin’izany ny taranaka mpandimby rehetra ka handray ny andraikiny avy.
… (mbola hitohy)
Inscrivez-vous au blog
Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour
Rejoignez les 2 autres membres