la Culture Malagasy

la Culture Malagasy

Dinika an-davan'andro

DINIKA AN-DAVAN’ANDRON-DRAMALAGASY                               

Fanontaniana iray mba hifampitana fahalalana, sy ahazoana mamaritra ny kolontsaina ny hoe: ahoana ny fahafantaranao ny KOLONTSAINA MALAGASY?
Mba hitarihana anao dia ity misy famaritana ny kolontsaina iombonan’ny firenena afrikana rehetra mpikambana ao amin’ny UNESCO hatrany amboalohany:
Ny kolontsaina dia fitambaran’ny zavatra rehetra azo itarafana ny tantara sy ny fiainan’ny olombelona amin’ny maha-olombelona azy.
Misy ny hita maso sy ny tsy hita maso, misy ny ren’ny sofina sy ny tsy ren’ny sofina, misy ny azo tsapain-tànana sy ny tsy azo tsapain-tànana.
1.    Ny hita maso sy azo tsapain-tànana dia ireo izay vita nanahary na namboarin’ny olombelona. Oh: toerana mana-tantara, zavatra miorina, zohy …
2.    Ny tsy azo tsapain-tànana dia ny fomba amam-panao, teny, haisoratra am-bava, kabary, hainteny, angano, fomba fitafy, fahaiza-manao amin’ny asa-tànana, tao-trano, sns …
Ireo dia lova avy amin’ny razana ka mavesa-danja amin’ny olombelona satria maha-olombelona ny olombelona ary tokony harovana sy hokajiana fa harentsain’ny zanak’olombelona.

NY KOLONTSAINA SY NY HAREN-TSAIM-PIRENENA                            
Ny kolontsaina dia fitambaran’ny rafi-pandaminana, rafi-piaraha-monina sy ny rafi-pamokarana ary ny finoana, ny fomba amam-panao, ny fomba fisainana, ny fomba fanehoana fihetseham-po samihafa izay noforonin’antokon’olona na firenena mba handrindrany ny fiainany eo anivon’ny tontolo manodidina azy. Izany no ilazana fa voatr’olombelona ny kolontsaina ary sain’olombelona no namolavola azy; koa tsy teny narafitra velively ny kolontsaina fa teny mpandrafitra ny fiaraha-monina izay nitarafana ilay naha malagasy azy teo amin’ny fiainana maha-olombelona sy ny tantarany.
Ny kolontsaina dia anisan’ny fananana enti-manavaka antokon’olona na firenena iray amin’ny hafa satria samy manana ny fomba fisainana nitondrany ny fiainany ny tsirairay araka ny natiora novantaniny na ny toe-tany nisy azy, oh. Fomba fandaminana ny fiaraha-monina, fombam-pivelomana, fomba famokarana izay iombonan’ny firenena iray ary tsy hitambarany amin’ny firenen-kafa satria maneho ny maha izy azy.
Ny kolontsaina dia mampiavaka ny firenen-tsamihafa, anefa koa fananana mampiray ireo olona ao amin’ilay firenena ka ahatsiarovany tena ho iray hatrany, satria iray ny fombany, iray ny fiteniny, iray ny tantarany. Araka izany dia fitaovana iray lehibe mitondra ho amin’ny firaisan’ny olom-pirenena ny kolontsaina.
Ny kolontsaina dia harena ifandovan’ny taranaka mifandimby. Ny fomba fampitana izany dia tamin’ny alalan’ny lovan-tsofina na ny soratra. Tia karokaroka ny sain’olombelona ka nitondra fivoarana teo amin’ny fomba fiainany ary voakasik’izany koa ny kolontsaina ka tsy mitsaha manabe voa izany ny taranaka mifandimby ao amin’ny firenena iray, anefa dia notandremany fatratra ny tsy hahavery ny fototra ijoroan’ilay kolontsaina; ny haren-tsaina raiketiny izay mampisongadina ny maha izy ilay firenena.
 
NY HO FIFORONANY SY NY TANTARAN’NY KOLONTSAINA MALAGASY
-    Manao ahoana moa izany kolontsaina malagasy izany?
Amin’ny maha nosy an’i Madagasikara dia nanana izay mampiavaka azy izy eo anivon’izao tontolo izao.
Nosin-tany midadasika zarazarain’ny tendrombohitra, ala sy lohasaha ary renirano maro. Ifandimbiasan’ny lohataona mafana; ny fahavaratra sy ny orana ; ny fararano araka ny anarany sy ny fiafaran’ny lahasa maro amin’ny fambolena ankapobeny ary ny ririnina mangatsiaka sy maina ny anivon-tany ary arahina erika madinika any amin’ny faritra hafa. Izany toe-tany izany no nandrafetan’ny kolontsaina Malagasy ny fiaraha-monina teo aminy.
Ny Ntaolo Malagasy dia nanana fomba manokana nentiny nandrindra ny fiainany araka izany toetry ny tontolo novantaniny izany. Nisaina ny rafi-pandaminana, ny fiainana sy fiaraha-monina ary famokarana nifanaraka tamin’ny tontolo manodidina azy, namorona sy nandrafitra ary nanamboatra fitaovana entina mamokatra ny tany ary nieritreritra sy nandalina ny zavaboahary ka nahatonga ny fisainana sy ny finoana voarakitra ho kolontsaina malagasy.
Tany am-piandohana, taon-jato maromaro lasa izay, ny rafi-pandaminana ankapobeny dia ny fokonolona no andry niankinan’ny fiaraha-monin’ny ntaolo malagasy ary ny zokiolona hatrany no mpifehy. Nahoana moa no ho ny zokiolona? Nanana ny toerany manokana tokoa ireo raiamandreny taloha satria izy ireo no “vy nahitana sy angady nananana” ny fahalalana rehetra ny kolontsaina, “ela niainana ka voky andro; ela nisainana ka ampoky ny fahalalana” ary mpitahiry sy mpampita izany amin’ireo taranaka mandimby azy.
Teo amin’ny lafin’ny famokarana dia ny fambolena sy fiompiana no tena antom-pivelomana fototra teo amin’ny ntaolo malagasy. Misy ihany ny antom-pivelomana hafa toa ny jono nefa vitsy izy ireny.
Fitaovana tsotra toy ny angady, famaky, antsibe no hany nentiny nanabe voa ny tany sy nanorenany ny fonenany tamin’ny fotoan’androny. Izany indrindra no nahatonga ny firaisankina teo amin’ny ntaolo ary nataony ho zava-dehibe tokoa satria raha tsy nampiray ny hery ny vahoaka tsy nahatoitra ny natiora novantaniny sy nanodidina azy.
Tamin’izany rehetra izanyy no niandohan’ny fifanankohonana teo amin’izay nokasainy ka nampiaina azy tao anatiny ny fihavanana, sy ny fifanomezan-tànana tamin’izay nataony ka nanamafy ny fifanampiana, ary ny fifamatorana teo amin’ny lafim-piainana rehetra ka namelona tao am-pony ilay fifankatiavana. Ary tao anatin’izany no nampivoitra ny kolontsaina malagasy ary nanasongadinany ilay soatoavina tena Malagasy dia ny fihavanana, ny fifanampiana ary ny fifankatiavana.
Ny dinika an-davan’andro tsy ho tapitra fa amin’ny manaraka indray ê!
ndrina

 

 

Ny Kolontsaina sy fampandrosoana            
Araka ny fanehoan-kevitra sy ny hafatra renesina amin’ny haino aman-jery samihafa misy eto amin’ny tanàna dia ity misy fanamarihana izay heverina fa iarahana sy iombonan’ny maro toa izao manaraka izao:
---------------- o O o ----------------
CULTURE ET DEVELOPPEMENT

 « Grand ou petit, noir ou blanc, quelque soit le peuple, on se doit toujours de parler de développement quelque soit le domaine : économique, politique, culturel et même social. Dans les grands pays comme l’Amérique, tous les secteurs de développement sont en plein développement et même que les crises qui s’y hasardent ne sont presque qu’un petit point face à l’importance du développement que connaît ce grand géant, mais qu’en ait-il des pays en voie de développement ?
 Face à la crise que connaît Madagascar actuellement, il est important de situer le développement politique, économique et social dépendant de la politique politicienne, mais surtout le social qui est aujourd’hui le sujet de menace et cause de menace. Le pays pleure. Il pleure la fin ou le début qu’en savons nous ! Ces grands dirigeants et leurs partis politiques s’entêtent dans la crise pour un combat dont les raisons jusqu’ici ne sont pas évidentes pour le peuple malagasy. Ils leurs donnent espoir sur l’abolition de leur faim, la bonne condition des vies familiales, la disparition des problèmes financiers et tout le peuple malagasy y trouve son compte mais jusqu’où cela reste-t-il vrai. Toute l’histoire n’est au fait qu’un engoulement de différentes motivations politiques et le seul coupable, le seul condamné n’est d’autre que le peuple, mais sans le peuple, peut on parler de développement ? A Madagascar, aujourd’hui, le développement est en suspend et qu’elle en est la cause : la politique politicienne. Or cette situation n’inclut pas que la menace de sous développement mais voir plus loin son abolition total par le biais de l’explosion social qui non seulement met en danger le développement mais aussi la survie économique, politique et sociale de notre pays. Notre force et tous nos stratèges sont concentrés dans la politique politicienne, négociation, « dé-négociation », renégociation et « redé-négociation ». Éternel dilemme et manipulation du peuple. Certains prétendent se battre pour une indépendance qui ne s’avère pas ponctuelle du tout mais faute d’essayer, ces grands dirigeants mettent le peuple en transe, en rage voir même mettre Madagascar à l’agonie et qui y gagne ? On dit se défendre, protéger nos valeurs mais posons nous d’abord la question sur ce qu’est vraiment nos valeurs sans cela le monde va nous bouffer, la mondialisation va nous accaparer et tout avenir de notre pays resteront incertain voir inexistant ce qui en viens au rétablissement de la politique d’acculturation.
 La jeunesse est l’avenir du pays mais ils en seront l’handicape si dans tous leur démarche de développement, ils ne savent même pas qui sont-ils vraiment. Si la France ou tout autres pays possède cette emprise sur nous c’est bien parce que nous même avions perdu toute notre notoriété sur nous même et envers notre pays, notre culture. On néglige cela parce que c’est l’état d’esprit même des malagasy qui sont atteints par la mondialisation : objectif atteint pour les géants de la planète. Toutes bases de la vie et la survie d’un pays, les bases du développement politique, économique et social ne se trouve pas dans la politique politicienne en elle-même. Tout est question d’état d’esprit et cet état d’esprit c’est la culture.
On dit souvent les malagasy ne savent pas faire de la politique et c’est vrai parce que tout, le gouvernement, les dirigeants, tout n’est que façade. Ils ne basent pas leurs intentions sur les réalités à Madagascar mais des faits surfaits des grands pays et des grandes puissances. On veut que le développement qui a réussi dans les grands pays marche sur la notre, pendant ces crises on nous parle de démocratie et ignorant on s’est précipité à réclamer des droits qui non seulement n’est pas applicable à Madagascar mais en plus des effusions de sang causer par cette politique inadéquat, on a encore interdit la liberté de parole au malagasy, peuvent ils vraiment dire qu’ils ont droit à la parole ? Où tout simplement qu’en échange de leur démonstration de patriotisme ils ont droit à manger et survivre un jour de plus. Mais est-ce vraiment cela ce qu’il veulent ? Parce que nos dirigeants ont négligé notre culture, la base de qui nous sommes vraiment, aujourd’hui Madagascar a un prix et cela arrive même jusqu’au point de la vendre pour un peu de paix et de vie. On croit y gagner mais notre indépendance dans tout cela ? Cette indépendance qu’on réclame haut et fort ? L’indépendance est tout d’abord un état d’esprit et c’est ce que la colonisation a ôté aux malagasy mais faudrait-il encore que le peuple lui-même s’en rend compte. On parle de Malgachisation dans le domaine de l’enseignement mais est-ce que connaître la traduction et avoir la maîtrise des « marika »(mathématiques) dans la langue malagasy suffit-elle pour dire qu’on est des malagasy. NON !
Si on veut parler de « malgachisation » parlons plutôt de l’histoire de notre pays, nos us et coutumes, l’histoire de nos Rois et Reines qui se sont vraiment battus contre l’envahissement des cultures étrangères. Parlons plutôt de cela au lieu de « malgachiser » l’enseignement. On dit « andrianiko ny teniko ny an’ny hafa koa feheziko » et on doit prendre cela à la lettre. La France a conquis Madagascar grâce à sa langue et d’ailleurs cela se voit encore jusqu’à nos jours et pire il n’y plus que la France mais tous ces autres pays qui veulent envahir Madagascar. Pourquoi ne ferions nous pas de même ?
Ne mobilisons pas le mot et l’action de la « malgachisation », voyons le plutôt dans un point de vue large pour justement retrouver qui nous sommes réellement pour retrouver notre identité de l’origine. Le problème voyez-vous, c’est que la mondialisation a reconstruit, je ne vais même pas dire modifier, même si c’est le mot, mais reconstruit tout l’état d’esprit et l’état d’âme des malagasy faisons naître ainsi en eux ce sentiment de honte et de renier leurs origines et la seule issus est de retrouver ces origines sans honte ni préjuger parce que si nous même n’avions aucun respect pour ce qui fait que nous sommes ce que l’on est, comment voudrions nous que les autres pays nous accorde le respect ? Le respect se mérite et pour cela qu’on doit se battre et non pour celui qui va diriger le pays. Si le peuple est renforcé, fort, digne et fière de ce qu’il est, les prochains dirigeants de Madagascar sauront eux aussi adopter la bonne attitude. La force d’un pays n’est pas ses dirigeants mais son peuple. S’ils savent qui ils sont, le pays pourra s’affirmer entant que tel face aux grands géants de la planète ».
HARDH

 





07/03/2012
1 Poster un commentaire

Inscrivez-vous au blog

Soyez prévenu par email des prochaines mises à jour

Rejoignez les 2 autres membres